Suède : Zanaka elefanta maty taorian’ny nandaozan’ny fianakaviany azy
Zanaka elefanta vao 2 herinandro monja no maty, ny alin’ny alakamisy 08 aprily, rehefa nilaozan’ny fianakaviany. Nampalahelo ny maro ity tranga niseho tao amin’ny zoo iray ao Boras, Suède ity. Notsaboina nandritra ny 3 andro izy, ary tsy maintsy misy mpitsabo mijanona miaraka aminy andro aman’alina ao amin’ny zoo. Mbola kely loatra anefa izy ka tsy zakany ny hatsiaka sy ny tsy fisian’ny sakafo sahaza azy ka izy nindaosin’ny fahafatesana izao hoy ny mpitsabo biby iray ao an-toerana. Teraka ny 26 martsa lasa teo ity elefanta vavy kely ity ary narian’ny reniny sy ny fianakaviany izy rehefa teraka lahy ilay reniny ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny tsy fahafahany nanao na inona na inona nanoloana ny tsy faneken’ireo fianakaviany ity elefanta maty ity ireo mpiandraikitra ao amin’ilay zoo. Ampolony maro ny elefanta ao amin’ity zoo ao Boras ity fa sambany hoy izy ireo vao nisy tranga tahaka izao.
