Etats-Unis : Tian’ireo amerikana ho filoham-pirenena i Dwayne Johnson (The Rock)
Nanaiky ny handrotsa-bato hanohanana ilay mpilalao horonantsary, Dwayne Johnson,, fantatra amin’ny solon’anarana The Rock, ho filoham-pirenena ao Etats-Unis avokoa ny atsasak’ireo amerikana raha toa ka milatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena izy. 46% -n’ireo olon-dehibe nanontaniana no nilaza fa hifidy azy raha mirotsaka izy amin’ny taona 2024. Olona manodidina ny 30 000 mampiasa haitao no nanaovana io fanadihadiana io. Mpanao “lutte” I Dwayne Johnson talohan’ny naha mpilalao horonantsary azy. Nisy fotoana izy efa nanome ny heviny mahakasika ny mety hidirany amin’ny sehatry ny politika. Nanambara ihany koa izy araka izany fa hitsapa ny vintany raha izay no tian’ny vahoaka amerikana. Tsy andriamatoa Dwayne Johnson ihany anefa no naharay fanohana avy tamin’ireo olona nanontaniana fa tafiditra ao anatin’izany ihany koa i Angelina Jolie, i Oprah Winfrey ary i Tom Hanks.
