Brésil: Loham-behivavy iray no nisy nangalatra tao am-pasana
Vehivavy maty nisy nitifitra tamin’ny taona 2022 i Sabrina Tavares. Milevina ao Rio de Janeiro ny razany saingy raha ny tatitry ny mpanao fanadihadiana Fábio Barbosa dia nisy nanokatra fasan’io vehivavy io, novakiana ny vata-patiny ary nisy nangalatra ny lohany.
Raga tsiahivina dia ny volana aogositra 2022 no voatifitra teo amin’ny lohany teo amin’ny faha-31 taonany i Sabrina Tavares. Ny zaodahiny, Mateus da Siva Osório Ferreira no voampanga tamin’izany. Raha ny fanazavana dia navelan’ny vadin’i i Sabrina Tavares ho azy avokoa ny fananany rehetra rehefa namoy ny ainy tamin’ny taona 2016 izy ka tsy zakan’io rahalahiny io.
Raha ny petra-kevitry ny tompon’andraikitra dia tsy misy hifandraisainy amin’ny tranga namonoana an’i Sabrina Tavares io tranga fangalarana ny lohany io. Nanamafy izy ireo fa ireo mpikirakira « magie noire » no ao ambadik’izany. Marihana fa nahitana lovia tanimanga nisy zavatra nodorana teo akaikin’ny fasana.
