ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Zana-kazo miisa 400 fototra no novolena tany Mahabo

Ny fambolen-kazo no nentin’ny faritra Menabe nankalazana ny andron’ny rano. Isan’ny ezaka lehibe hanaovana ezaka amin’ny famerenana ny ala mba hisitrahan’ny vahoaka rano fisotro ho ara- dalàna.

« Simba ny ala. Izany no mahatonga ny fihenan’ny rano ao Magnamby. Misy fiantraikany amin’ny fahasimban’i Menabe Antimena izany. Manao antso avo amin’ny rehetra ny tenako mba samy hanao hetsika hanarenana izany toy ny fambolen-kazo”z hoy ny lehiben’ny distrikan’i Mahabo, Ralovason Bernard. « Tao anatin’ny telo volana dia efa hita ny ezaka. Ny tetik’asa Mamoa no manao ny ezaka raha hamafisina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa izany » hoy ny Talem-paritry ny rano Menabe, Yves Elliot Aimé.

Tsara tokoa ny ezaky ny maro amin’ny famboloen-kazo. Betsaka ireo efa nandray ny andraikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no mbola manohy hatrany izany. Madagasikara ho rakotra ala tokoa no tanjona ho an’ireo taranaka rahatrizay. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire