Japon : « Echec Japonais » ny « Shōgi »
Ny « Shōgi » dia kilalaon-tsaina misy fepetra mazava arahina hifanandrenan’olona roa. Kilalao nentin-drazan’i Japon izy io izay manakaiky ny lalao « Echec ». Ny 17 novambra kosa no daty napetrak’izy ireo hankalazana ny « Shōgi ».
Eo ambony hazo fisaka misy efitrefitra 9 mitovy loko no atao ny kilalao. Manakaikikaiky ny kilalao « goban » ny hendrin’izany. Mifandimby milalao ny mpifanandrina roa. Maka ny mpanjakan’ny mpifanandrina no tanjona amin’ny lalao. Afaka manisaka na « parachuter » ny « pièce » iray ny mpilalao. Raha mitotona ao amin’ny efitra iray efa misy « pièce » ny mpifaninana izany dia azo alaina ny « pièce ».
Mampiavaka azy amin’ny « Echec » dia azo tehirizina ny « pièce » azo ary azo ampisaina amin’ny fotoana mahamety azy.
