Talata Volonondry : Maro ny mandraharaha manodidina ny fiompiana kisoa
Isan’ny tena fiveloman’ny mponina ao Talata Volonondry ny manao koba sy saosisy. Ao ihany koa ny fambolena tongolo, ary indrindra ny fiompiana kisoa. Sehatra maro no efa mivelatra any an-toerana noho izany, ary azo trandrahana tsara ho lasa tena fidiram-bola be tokoa.
Betsaka ny mandraharaha manodidina ny fiompiana kisoa ary saika ho isan’andro no mamoaka kisoa ny mponina ho amidy. « Izaho tsy mitady lavitra rehefa manana kisoa matavy sy ampy lanja fa ao amin’ny facebook ihany no amidiko ny kisoa matavy dia ao no betsaka ny mpividy sy sahy lafo amin’ilay tsy mamono antoka » hoy i Rosette, mponina ao Ambolo Talata. « Ny renin-kisoa tsy amidy izany fa ny zanany no amidy, ka hita fa tena mahavelona anay tokoa satria tsy latsaky ny folo ny zana-kisoa lehibe » hoy i Clotilde, mpandraharaha any Talata Volonondry.
« Efa betsaka tokoa ny misehatra amin’ny fhariana kisoa eto amin’ny Kaominina, izay tena tokony ho tombony lehibe ho antsika eto Talata tokoa izany, satria mbola manana toerana malalaka azo hivelarana tsara isika » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry. Tsy misy asa ratsy izany tokoa fa ny fanajana azy no zava-dehibe, rehefa hay ny mitrandraka ny misy dia miteraka fandrosoana izany. Ny fandraharahana rahateo no vahaolana ialàna amin’ny tsy fahampian’ny asa eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
