Hohafainganina ny raharaham-pitsarana hampihenana ny isan’ny olona voafonja
Nanao fanamby ny Minisitry ny fitsarana fa hanafaingana ny raharaham-panjakana mba hampihenàna ny isan’ny olona tazomina any am-ponja. Nanambara izy noho izany fa ampiakarina ho 70% ny isan’ireo olona voatsara. Anton’izany indrindra ny mba tsy hahatototra be ny fonja intsony ary mba tena hanaovan’ireo mpitsara tsar any asany.
Hipoka ary tena feno tanteraka ny fonja ao Antanimora hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nidina nanao fitsidihana tany izy. Miisa 2 300 izy ireo ankehitriny raha toa ka 800 no zakany raha ny fanorenana azy nandritra ny fanjanahan-tany. Karazana olona maro no hita ao : misy ireo tera-bao sy mitaiza kely, misy ny zokiolona ary misy koa ireo mpifoka zava-mahadomelina. Mifanitsa-kitro tanteraka izy izy noho ny hamarony ka antony hanafainganana izao raharaham-pitsaràna izao. Na dia izany aza anefa, hohamafisina hatrany ny fanaraha-maso momban’ny kolikoly ary tsy handeferana mihitsy izay mpiandry fonja tratra manao kolikoly.
« Tsy miaina araka ny tokony ho izy izahay ato satria betsaka loatra no mitambatra anaty efitra iray, tsy voahaja intsony ihany koa ny resaka zon’olombelona ato noho ny fahasamihafan’ny toetra sy ny tany niavina » hoy i Bako, vehivavy tera-bao tao amin’ny fonja. « Tsy misy hiraharahiana izay fifanajana any intsony fa efa manao ratsy ve ianao mbola ho hajain’ny hafa indray e ! Fanjakan’ny be saina sy be loha daholo ny aty, tsy misy an’izany intsony » hoy kosa i Tovo, voafonja ao Antanimora. « Malaza hanjakan’ny kolikoly sy gaboraraka ny fonja » hoy filoham-pirenena, ka antony nanaovany izao fotsidihana izao.
« Manahaka ny famantarana ivelany ny hamafin’ny fifehezana siantifika fanta-daza indrindra » hoy i Pierre Bourdieu, manam-pahaizana mandalina ny zava-misy any am-ponja. Raha hazavaina ny tiany ambara, tsy dia mendrika ny ho hajaina intsony ireo olona migadra any am-ponja.
Samy manana ny zony ny olombelona tsirairay avy raha ny tokony ho izy raha mbola velon’aina. Kanefa, ireo olona nanosihosy ny zon’ny hafa sy tsy nanaja ny hafa ka nofahizina any am-ponja ve mbola mendrika ho hajaina ? Sa dia very zo tanteraka izy ireo rehefa manefa ny saziny any am-ponja ?
Miangaly Rasoamihajamanana
