Ady amin’ny Covid-19 : Ho avy ny vaksiny Sinopharm
Hisy vaksiny hafa ankoatra ireo karazany roa efa ampiasaina amin’izao fotoana, ho tonga eto Madagasikara amin’ity herinandro ity hoy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa miisa 300 000 ireo vaksiny Sinopharm ho avy eto amintsika ireo. Izany no natao mba ho fanohizana hatrany ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19.
Ankoatra ny Astrazeneca sy ny Janssen izay mbola betsaka mpanao eto amintsika, ny Sinopharm izay vaksiny vaovao novokarin’ny laboratoara sinoa ho ampiasaina eto Madagasikara. Raha tsiahivina, nahavoaray fatram-baksiny miisa 200 000 i Madagasikara ny 16 aogositra 2021 lasa teo. Miisa 302 000 kosa ireo fatram-baksiny Johnson&Johnson ny 4 aogositra 2021 lasa teo. Manamafy hatrany ny fanohizana ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19 noho izany ny fanjakana ary manao ny ezaka rehetra mba aharesena azy.
« Mahatoky tanteraka aho izao fa afaka miady amin’ny valanaretina Covid-19 satria efa nahavita vaksiny ary mamporisika ireo mbola tsy nahavita izany » hoy i Chantal, renim-pianakaviana iray.
« Mampiahiahy ahy ilay vaksiny satria tsy azoko antoka tanteraka hoe ahasalama ahy tokoa ve ? » hoy kosa i Gérard, mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina.
Nilaza anefa ny Minisitry ny Fahasalamana Zely Randriamanantany fa « ho avy eto Madagasikara amin’ity herinandro ity ny vaksiny Sinopharm miisa 300 000 » mba ho fiarovana ny Malagasy rehetra amin’ity valanaretina ity. « Azo atokisana tanteraka ity vaksiny Sinopharm ity satria efa voamarina ary tena amin’ny kalitao tsara tokoa » hoy ny SAGE (Groupe stratégique consultative de l’OMS).
Tokony ho voaaro tanteraka amin’ny valanaretina Covid-19 ny Malagasy raha ny ezaka ataon’ny fanjakana. Misy amin’izy ireo kosa no tsy mazoto sy tsy liana amin’ny fanaovam-baksiny noho ny antony samihafa. Mizara roa anefa ny karazan’olona eto Madagasikara raha eo amin’ny lafiny fanaovam-baksiny no jerena. Noho izany, ny Malagasy rehetra ve dia tokony hanao vaksiny hiadina amin’ny valanaretina covid-19 avokoa ? Ary mety hampisy fanavakavahana eo amin’ny tsirairay ve ny tsy fahavitan’ny sasany vaksiny miady amin’ny Covid-19 ?
Miangaly Rasoamihajamanana
