Tsidika

Mila fanaraha-maso akaiky ireo famoaham-bola rehetra eo amin’ny tahirimbolam-panajkana

Nisy ny fampiatona ny fandoavam-bola rehetra teo amin’ny tahirimbolam-panjakana noho ny fiakaran’ny fitarainana amin’ny kolikoly manodidina izany izay nahatonga ny fampiatoana ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana teo aloha mihitsy aza izany raha ny tatitra nivoaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny 18 aogositra lasa teo. Hisy noho izany ny fanaraha-maso mialohann’y famoaham-bola eo amin’ny tahirimbolam-panjakana manomboka izao.

« Tsy maintsy mijery mialohan’ny famoaham-bola ny fahatomombanana rehetra sy ny antony mazava hivoahan’ny vola izahay, ary mila jerena hoe mitombona tokoa ve ilay izy ary tsy maintsy hofainganina ny asa » hoy ny Rajaofetra Andry Nirina, tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana. « Mila sorohina mihitsy ny fimenomenoman’ireo manan-draharaha eo amin’ny tahirimbolam-panjakana izay tsy azo lazaina ho vitsy ka tena mila hatsaraina » hoy i Fanoela, mpahay toe-karena.

« Vola mitentina 11 000 miliara Ariary no vinavinaina ho ampiasaina amin’ity taona ity ka tafiditra amin’io ny karaman’ny mpiasam-panajakana sy ny fisotroan-dronono » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Isan’ny sehatra nahitana fahaverezam-bola betsaka hatramin’izay ny teo amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Ilaina ny fanadiovana ny fitantanam-bola mba hisian’ny mangarahara hatrany eto amin’ny firenena. Rehefa manjaka mantsy ny mangarahara indrindra manodidina izay vola izay dia hilamina ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire