Fampianarana : Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpianatra tao amin’ny EPP Manjaka Ilafy
Mpianatry ny EPP Manjaka Ilafy miisa 475 no nahazo tohana ara-tsakafo tamin’ny Alakamisy teo. Fiaraha-mientan’ny kaominina Ankadikely-Ilafy tamin’ny « Association Miotisoa », ny « Fikambanana Tolo-tanana » ary ny « Vantage International Human Charity » no nahafahana nanantontosa izao hetsika izao.
« Isaorana izy ireo noho izao fihetsika maneho firaisan-kina sy fifanohanana izao. Hita ho tena manampy amin’ny fampianarana tokoa mba ahafahan’ireo ankizy manovo hery ho enti-miatrika ny fampandrosoana » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly. « Raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Mbola betsaka tokoa ny ankizy tratran’ny tsy fahampian-tsakafo eto amintsika. Izany anefa dia sakana tsy hahafan’izy ireo manao zavatra eny fa na ny mianatra aza » hoy i Hery, mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny fandraisana ny ankizy.
Mila fanohanana tokoa ireo ankizy iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika. Ny fifanampiana sy ny fiaraha-mientana toy izao no tena ilaina amin’izany.
Hasina Rasamimanana
