ActualitésTsidika

Belanitra : Tontosa ny fampiofanana mikasika ny fiompiana akoho

Vita soa ny fiofanana fiompiana akoho gasy, akoho fakana nofo, akoho mpanatody lava ary kisoa tao Belanitra Ankadikely Ilafy. Niaraha-niasa tamin’ny orinasa Agrival Agrifarm ity hetsika iray ity ho fanampiana ny mponina eo amin’ny fiompiana akoho.

« Miisa 130 ireo mpisitraka ny fiofanana, izay isaorana sahady ireo mpampiofana. Hita fa tena afa-po tanteraka ireo mpiofana ary hantenaina sahady ny fivoaran’izy ireo aorian’izao » hoy ny avy ao amin’ny CFP Belanitra. « Tena manampy betsaka ny kaominina amin’ny fampanana’asa ny tanora eto mihitsy ny fampiofana a arak’asa tahaka izao. Manome fiofanana amin’ireo asa fototra mifanentana amin’ny filàn’ny mponina foana tokoa ny CFP ao Belanitra izay ato anatin’ny Kaominina no misy azy » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Ny fiofanana arak’asa dia ahafahan’ireo mponina miasa avy hatrany . Afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana izy ireo avy eo. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire