ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nifarana tamin’ny alarobia ny fiofanana niarahana tamin’ireo mpilatatsaka an-tsitra-po japoney

Tamin’ny alarobia lasa teo no nanatanterahana ny lanonana famaranana ny fiofanana izay nokarakarain’ny kaominina Ambohimanambola sy ireo mpilatsaka an-tsitra-po japoney. Fiofanana mahakasika ny teny, ny sakafo ary ny kolontsaina japoney no natao ho an’ireo tanora avy ao an-toerana.

«Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ireo mpilatsaka an-tsitra-po japoney no nahatontosana izao hetsika izao. Natao indrindra ihany koa hanomezana sehatra ireo tanora ety anivon’ny kaominina sy ireo manodidina mba hampitombo fahalalana sy hivelatra amin’ny zava-baovao hatrany» hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Mahafinaritra satria hahaizana kolontsaina hafa ankoatra ny mahamalagasy ny fiofanana tahaka izao. Anisan’ny nampitombo fahalalana eo amin’ny kolontsain’ny hafa sy nampifandray tamin’ny tanora maro » hoy i Tiavina, mpiofana.

Tsiahivina moa fa isaky ny alarobia tolak’andro, nandritra ny sivy herinandro ireo tanora tao amin’ny kaominina sy ny manodidina izay manodidina ny 50 isa no nanaraka izany fiofanana izany tao an-toerana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire