ActualitésTsidika

Sambava : Vehivavy iray voan’ny tehamaina tao am-piangonana

Miantso ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny fiangonana adventiste foibe ireo mpino any an-toerana hamerina ny filaminana. Nitrangana fikasihan-tanana tao amin’ny fiangonana iray tany Befamelona, Antsahavaribe Sambava, ka vehivavy iray iray no tratran’ny tehamaina tamin’izany. Inona no zava-nitranga ?

« Nisy fanesorana mpikambana, na mpiray fanantenana, tamin’io fiangonana io. Notsipihina ny anarany maha mpiray fanantenana azy noho izy mandohalika foana rehefa mivavaka ka ahiana hitarika olona hanova fomba fivavahana » hoy i Joany, mponina ao Befamelona. « Raha ny lamina misy eo amin’ny fiangonana Adventiste anefa dia tsy maintsy ampandrenesina tapa-boloana mialohan’ny olana voakasika (Page 76‚ Paragraphe 3, Fitsipika mifehy ny fiangonana Adventiste) saingy tsy nanaraka izany ny tompon’andraikitra » raha ny fanazavana voaray teny an-toerana hatrany. « Raha samy hiakatra ny alitara iny no nisy vehivavy nanondro molotra ilay olona hoesorina ho mpiray fanantenana teo imason’ny rehetra tao ampiangonana ka niteraka resa-be sy savorovoro izany noho ny vava-be nataon-dravehivavy, ary novelisin’ny vadiny tehamaina tao ampiangonana » hoy i Rado, nanatrika mivantana ny tranga tao am-piangonana.

Miantso ny tompon’andraikitra avy any amin’ny foibe ihany koa hijery ifotony sy hamerina ny filaminana ao amin’ny fiangonana Befamelona. Izy mivady ihany noho izany no nifamelaka teo ka ilay ramatoa iray no lazaina ho fototry ny savorovoro. Mila mahay ny fihetseham-po eny imason’olona isika satria miteraka sary ratsy momba antsika eo imason’olona ny fihetsika tsy voatana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire