ActualitésTsidika

Tetik’asa Télépherique : Hotanteraka tokoa sa vava tsy tana fotsiny ihany ?

Hisy ny fanangona-kevitra ho ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Office National de l’Environnement (ONE) amin’ireo mponina ao anatin’ny boriborintany 5 izay misy fokontany 25 mikasika ilay tetik’asa « Téléphérique » ho atao eto Antananarivo. Tetik’asa entina hanatsarana sy hitondrana fandrosoana manoloana ny fifamoivoizana ary hisorohana indrindra ny fisian’ny fitohanana izay mampikatso zavatra maro toy ny fanenjehana fotoana.

« Dingana tsy maintsy arahina izany, ahafahana manao tombana sy handraisana fanapahan-kevitra, mialoha ny hirosoana amin’ny tetikasa satria izy ireo no tena hisitraka izany », hoy ny eo amin’ny ONE. « Azo itondrana hevitra na koa hanakianana ny amin’ity tetik’asa ity satria Antananarivo mandroso no tanjona iombonana » hoy ny avy ao amin’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra.

« Efa fantany hoe tsy hisy mpandeha dia mody nanao izao izy. Politika daholo izany rehefa tsy misy koa ny vola hanaovana azy satria ny dokadoka efa nandeha talohan’ny asa dia izao no niafarany » hoy i Mahefa, mponina eny Mahamasina. Mila madninika tsara tokoa vao manao zavatra ary ny toky fitaka fa ny atao no hita, ny asa vita no hifampitsarana fa tsy ny dokadoka mialohahan’ny asa. Naninona tokoa ireo tetik’asa hafa tsy nasiana fangatahana hevitra izany ? Hotanteraka ve ity tetik’asa iray ity sa hofoanana fotsiny indray avy eo rehefa mody nandefa fiantsoana hevitra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire