ActualitésTsidika

Dian-tongotra hizahan-tany any Ambohiborona Ambatomanga

Hotanterahina ny 28 aogositra ho avy izao ny fandehanan-togotra karakarain’ny « Office régional du Tourisme d’Analamanga » any Ambohiborona. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ny rehetra fa mila misoratra anarana sy mamandrika toerana mialoha fotsiny.

« Mianga amin’ny 6 ora sy sasany maraina eny Antaninarenina isika ary handeha ho any Ambatomanga ka eo manomboka ny dia ary handalo an’i Vakiniadiana mba miala amin’ny fiforetana amin’ny isan’andro » hoy ny avy ao amin’ny ORTANA eny Antaninarenina. « Ilaina ny mivoaka kely, maka rivotra ambanivohitra, manazaran-tena amin’ny dia tongotra, sady fahasalamana no fialam-boly » hoy i Mariette, renim-pianakaviana hitondra ny ankohonany amin’io andro io.

« Rehefa mandeha tahaka izao dia sady mahita tany no mahalala tantara, mahita ny hakanton’ny nosy miaraka amin’ireo mpiray tanindrazana amin’ny tena » hoy i Patrick, mpitari-dia. Tsy vitsy tokoa no tsy mahalala ny faritra maro manerana an’i Madagasikara, dia ho sanatria ny vahiny indray ve no hitavana mialoha ny hakanton’ny nosy mialohantsika tompon-toerana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire