SportTsidika

Nahita klioba hafa sahady i Jérôme Mombris

Vao ny 19 aogositra teo i Jérôme Mombris no nandao ny ekipa Grenoble Foot dia efa nahita ekipa vaovao sahady ira andro taorian’io. Nanao soniam-pifanarahana tany amin’ny Guingamp izay Klioba iray amin’ny Ligue 2 any Frantsa.

Nijery ny fahasalamany tany amin’ny mpitsabo izy taorian’io. « Vetivety izy dia nahita ny ekipany vaovao indray, izany no midika fa isan’ny sangany amin’ny taranja baolina kitra iraisam-pirenena mihitsy i Mombris ary tombony lehibe ho antsika izany » hoy i Maurice, mpankafy baolina kitra Malagasy.

« Maharitra roa taona indray ny fifanarahana natao ary mbola afaka mampitombo ny fifanarahana raha mifanaraka tsara » hoy i Jérôme Mombris, mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy. « Tsara mihitsy ny hivelarana hakana traikefa amin’ny any ivelany, isan’ny tombony be ho antsika izao satria rehefa mahita ny fanaon’ny hafa ny mpilalao antsika dia mizara ny traikefa amin’ny eto an-toerana ka ho mora amintsika ny hifaninana amin’ny any ivelany avy eo » hoy ny mpanazatra ny klioba iray eto Madagasikara.

Dingana lehibe tokoa izao nataon’i Mombris izao ary manaporofo fa efa manana traikefa tokoa izy ka tsy ho very mandeha na mandao ny klioba iray aza. Rehefa feno fahatokisan-tena sy fahavononana tokoa dia mandroso foana ny dia.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire