SocialTsidika

Vangaindrano : Telo lahy tratra nilanja gony enina feno rongony

Telo lahy no tratran’ny zandary nilanja gony enina feno rongony ny voalohandohan’ny herinandro teo. Tsy nampoizin’ireto telolahy ireto fa hifanena amin’ny zandary mpanao fisafoana izy ireo ka nandritra ny fisavàna dia fantatra fa rongony maina no tao anatiny.

Tafatsoaka ny roa lahy fa ny iray kosa no voasambotry ny zandary tany amin’iny distrikan’i Vangaindrano iny. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, dia manao ny fisafoana ireo lalana rehetra izay mety handehan’ireo olon-dratsy ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao amin’ny kaominina Matanga ary fantatra fa ity lehilahy iray voasambotra ity dia malaza ratsy ho mpanaparitaka sy mpanao bizina rongony any amin’iny faritra iny.

Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana ihany, samy monina any amin’ny tanànan’Ambalaboka, fokontany Ambatomainty, kaominina Andasibe, distrikan’i befitaka Atsimo izy telo lahy ireto. Raha toa ka tsy tratra teo ireto zava-mahadomelina ireto dia efa fantatra ny lalany : miainga any Befotaka Atsimo, mandalo an’iny faritra Atsimo Andrefana iny, ary eo indray no azo heverina fa misy mpandray ary miafara aty an-drenivohitra avy eo.

Olona maromaro isan-karazany tokoa no miara-misalahy amin’izany, ary azo inoana fa efa tambajotra mihitsy. Mbola mitohy ny fanadihadihana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka ireo ary ireo rongony dia efa nogiazana ka ho dorana eo anatrehan’ny manam-pahefana amin’ny fotoana mahamety azy hoy hatrany ireo zandary.

Tsara ny fisian’ny fisavana hataon’ireo zandary ho fankanana ireo olon-dratsy sy hisamborana azy ireo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire