ActualitésTsidika

Masindray : Mitohy ny fanazarantena fanomanana ho an’ny fifaninana baolina kitra

Anio zoma amin’ny 2ora tolakandro indray no fandaharam-potoana manaraka ho an’ny fanazaran-tena, fanomanana amin’ny fanombohan’ny lalaom-pirahalahiana maromaro hiseho sy ny « Tournoi Open » izay entina hamaranana tanteraka ny fitsapana ho an’ireo voaray ho an’ny klioban’ny football buffalo avy ao Masindray.

« Fanamanana sy fanazara-tena hatrany no hiseho entina hampiomanana amin’ny saina sy vatana ireo mpilalao. Ilaina hatrany izao mba hahafahana manitsy sy manampy traik’efa efa eo amin’ny mpilalao » hoy ny mpanazatra.

« Ilaina mandrakariva ny fahavononana. Ilaina ihany koa ny manatrika fanazara-tena hahafahana tena miomana tsara amin’ny tena lalao » hoy i Rotsy, mpilalao baolina.

Efa vonona tanteraka amin’ny fiomanana amin’ny fiatrehina ny « Saison ligue 1 2022-2023 » ny Académie Football Buffalo amin’izao fotoana. Ity klioba ity izay anisan’ny mamiratra sy mavitrika raha eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ao amin’ny kaominina Masindray.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire