Etats-Unis : Naaton’ny OceanGate ny asany
Orinasa mikarakara fitsangatsanganana anaty ranomasina sy mpampanofa « sous-marin » ny OceanGate. Izy ireo no tompon’ilay sambo mpisitrika Titan nahafaty olona 5 nandeha nijery ny sambo Titanic. Manoloana ny tranga dia nanao fanambarana izy ireo fa hiato amin’ny asany. Marihana fa isan’ireo namoy ny ainy tamin’izany ny talen’ny OceanGate, Stockton Rush.
Raha tsiahivina dia ny 18 jona teo no nanainga ilay Titan ary tokony niverina 7 ora taorian’izany saingy tapaka ny fifandraisana tamin’ilay « sous-marin » adiny roa taorain’ny fihaingany. Nisy fikarohana goavana noho izany saingy ilay « sous-marin » efa rava sisa no hita tany amin’ny 4 000 metatra ny rano.
Efa tamin’ny taona 2018 no nampiahiahy ny fahatomombanan’ny « sous-marin » ny OceanGate raha ny voalazan’ny William Kohnen, injeniera lohan’ny komity amerikana momba ny « submersibles habités » ny orinasa sy ny mpikaroka. Nilaza nefa i Guillermo Söhnlein, mpiara-manorina io orinasa io fa ny « sécurité » no teboka lehibe indrindra vohizin’ny orinasa.
