Antsirabe : Nandrava tafo mihitsy ny rivotra
Nahery vaika ny fitsokan’ny rivotra ny alahady lasa teo tany Antsirabe ka nanimba fotodrafitrasa maro izany toy ny birao sy ny trano fiasan’ny Kaominina Antsirabe. Tao anatin’ny andro vitsy tokoa izay no nahitana fiovana ny toetr’andro teto afovoan-tany.
« Nitohy ny hatsiaka hatramin’ny alatsinainy teo teto afovoan-tany sy ny morontsika atsinanan’ny nosy raha hiakatra kosa ny maripana ny talata » hoy ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra toetr’andro. « Efa tsy manraha ny tokony ho izy intsony ny toetr’andro vokatry ny asa fanimbana tontolo iainana ataontsila zanak’olombelona » hoy i Sariaka, mpahay tontolo iainana. « Tena rivotra be sy hatsiaka miampy erika mihitsy no niseho taty aminay, simba ny tafo maro teto anivon’ny biraon’ny Kaominina » hoy ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra avy any Antsirabe.
Nidina tokoa ny maripana ary mivadibadika ny andro, inona no mahatonga izany ? Raha ny tokony ho izy mantsy dia anatin’ny vanim-potoanan’ny lohataona isika izao izay tena mampiakatra ny hafanana.
Nicole Rafalimananjara
