Sosialy: Hodiovina ny ranomasina hanampiana ny mponina any Maroantsetra
Asa mivaingana ho an’ny mponina any Maroantsetra ny fanomezana rano fisotro madio. Araka izany dia hotanterahina ao an-toerana ny fanesorana ny sira amin’ny ranomasina hampisitrahana rano fisotro madio ny mponina. Mpiara-miasa no hampiantohana ny fanamboarana ity foto-drafitr’asa.
“Laharam-pahamehana ny fanomezana rano fisotro madio ny Malagasy rehetra. Anisan’ny hahatongavana amin’izany tanjona izany ny fampiasana ny ranomasina. Tsy maintsy hapetraka eto Maroantsetra ny fanadiovana ny ranomasina ho lasa rano azo ampiasaina. Ny tanjona amin’izany dia hanamafisana ny fahazoana rano madio”, hoy ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra, Minisitry ny Rano, fanadiovana sy ny Fidiovana
“Tokantrano manodidina ny 12 000 eo ho eo no hisitraka ity foto-drafitr’asa ity. Hahatratra hatramin’ny 2 900m3 ny rano hovokarina amin’izany”, hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina fa mbola ny lava-drabno hatrany no be mpampiasa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Izany indirndra no tsy maintsy hampidirana ny rano madio any an-toerana hahafahana manatratra ny velirano faha-2 mahakasika ny fahazoana rano madio ho an’ny rehetra.
Miora Raharisolo
