ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Mitohy ny fanadihadiana manoloana ireo olona telo maty tao Nottingham

Voaantso tao Nottingham ireo manam-pahefana ny talata maraina teo manoloana ny tranga nahafatesana olona telo. Raha ny fanazavana dia manodidina ny 4 ora maraina no hita tao amin’ny Illkeston Road ireo razana roa raha tao Magdala Road kosa no nahitana ny razana iray.

Raha ny tatitra kosa dia fiara « camionnette » iray no ninia nanitsaka ireo olona ireo. Efa voasambotra ny mpamily izany raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitry ny polisy tao Nottingham, Kate Meynell. Lehilahy 31 taona no voarohirohy amin’ity tranga ity ary manohy ny fanadihadiana ireo manam-pahefana.

Laisser un commentaire