ActualitésTatitra

Maurice : Mikasa ny hangindrana ireo goaika ny manam-pahefana

Fahavalo laharana voalohan’ny daholobe ao amin’ny nosy Maurice ny goaika. Fikambanana iray miady ho an’ny fitandovana ny natiora ao an-toerana no nanapa-kevitra ny handringana izany noho izy mampidi-doza ho an’ireo karazam-biby hafa. Manoloana izany dia nisy ny fanentanana fihazana ireo vorona io nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’ny faran’ny volana aprily.

Nohentanina ihany koa ireo vahoaka mety mahatsikaritra tranon’io vorona io na toerana ahitana betsaka mba hampilaza ny manam-pahefana ahafahana manafoana izany. Marihana fa mankatoa io fanampahan-kevitra io ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ao amin’ny nosy. Heverina fa mandringana ireo vorona mampiavaka an’i Maurice toy ny « cardinal » sy ny « pigeon rose » io biby io.

Laisser un commentaire