Etats-Unis : Voaheloka higadra mandrapahafaty ilay renim-pianakaviana namono ny zanany roa
Nivoaka ny 31 jolay teo ny didim-pitsaran’i Lori Vallow izay namono ny zanany roa. Voaheloka higadra mandrapahafaty noho ny famonoana ny zanany naterany Tylee Ryan, 16 taona sy ny zanany natsangany Joshua « JJ » Vallow, 7 taona izy. Raha ny fanazavana dia nahitana soritra nenina akory ny endrik’io renim-pianakaviana io ary mbla nadà ny fiampangana azy hatramin’ny farany izy na efa nanameloka azy avokoa aza ny porofo rehetra.
Efa in’efatra nanambady i Lori Vallow ary voalaza tena miloana (obsédée) amin’ny « apocalypse » sy ny fitsarana farany ny tenany. I Chad Daybell mpanoratra momba ny « apocalyptique » no vadiny amin’izao fotoana ary efa fantatra fa efa namono ny vadiny teo aloha ihany koa io lehilahy io. Tao an-tranon’ity farany tao Idaho indrindra no nahitana ny razan’ireo zanak’i Lori Vallow.
Tao anatin’izany dia fanadihadiana maro no notontosaina ary fantatra fa maro ny tragam-pahafatesan’olona mampiahiahy teo amin’ny manodidina azy mivady. I Lori Vallow kosa dia nitonona ny tenany ho andriamanibavy tompon’andraikitra amin’ny fanomanana ny olombelona ho amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany, milaza hifandray amin’ny anjely ary izany finoany izany no hanamarinana ireo asa mahatsiravina rehetra nataony.
