ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Fantatrao ve ny « rooibos » ?

Ny « aspalathus linearis » dia zava-maniry ao anatin’ny fianakavian’ny « fabacées ». Ao amin’ny tendrombohitr’i Cederberg ao avaratry ny tanan’ny Cap, Afrique du Sud no tena haniriany.

Karazana « aspalathus » ny « rooibos ». Burman no nanome io anarany siantifika io noho ny endriny mahitsy sy ny raviny toy ny fanjaitra. Fanaovana zava-pisotro (thé) ny « rooibos ». Atao « oxydation » izy alohan’izany ary sotroana miaraka amin’ny ronono matetika.

Zava-pisotro manankarena « antioxydant » ny zava-pisotro vita amin’izy io ary tsy misy « caféine ». Manampy amin’ny areti-kibo izy io, amin’ny tsy fahita-tory, miady amin’ny rarin-tsaina, ny homamiadana, ny aretina « dégénérative » sy ny fahanteran’ny atidoha.

Niparitaka ivelan’i Afrique du Sud izy io ary nosotroina nafana na nangatsiaka nanerana ny firenena maro. Io fiakaran’ny mpitady izy io sy ny fahavitsian’ny famokarana azy ao Afrique du Sud no anisan’ny nahalafo ny « rooibos » teo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena.

Laisser un commentaire