Fanjifana : 3 200 Ar ny kilaon’ny siramamy Namakia
Isan’ny nampitaraina ny maro ny fiakaran’ny vidin’ny siramamy. Nandray an-tanana ny amin’izany ny tompon’andraikitra, ary nanatitra siramamy Namakia mivantana amin’ireo mpaninjara.
« Amidy 3200Ar ny kilaon’ny siramamy Namakia eny amin’ireo mpaninjara novatsiana entana mivantana. Efa manomboka tsikelikely manaparitaka izany izahay amin’izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana. « Mpivarotra antsinjarany teny amin’ny 67ha, Anosizato, Namontana, Ambohimanambola, Mahazo sy Manjakaray no nanombohana azy aloha. Nanaterana siramamy Namakia mivantana izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa manoloana ny mety ho fanararaotana » hoy hatrany izy ireo.
Tsy vitsy tokoa mantsy ireo mpanararaotra mampiakatra ny vidin’entana indrindra ny siramamy izay isan’ny akora tena ilaina andavanandro. Amin’ny vidiny 3 200Ar no hanjifana izany.
Nicole Rafalimananjara
