Betroka : Miakatra ny trondron’ireo mpiompy
Fito volana aty aorian’ny nanombohan’ilay tetikasa fiompiana trondro dia efa nahazo vokatra ireo mpiompy ao amin’ny Kaominina Mahabo, Distrikan’i Betroka. Tokantrano marefo maro mivondrona ao antin’ny fikambanana FIMPIFIMABE no nisitraka ity tetikasa ity.
« Fito volana lasa izay no nanombohan’ny tetikasa. Dobo miisa 7 no naorina hanaovana ny fiompiana ary manodidina ny 3000 isa ireo zana-trondro nalefa ho ompiana tao. Nosafidiana manokana ny karazan-trondro Tilapia sy ny karpa amin’izao tetikasa fiompiana trondro izao. Amin’izao fotoana izao dia tokatrano 50 isa no mivondrona ato amin’ny fikambanana misitraka ity tetikasa ity.” Hoy ny avy amin’ny FIMPIFIMABE. . “Nampiakatra ny trondro voalohany izahay izao. mahavelom-bolo satria hita sy azo tsapain-tanana ny vokatra. Afa-po tsara ihany koa indrindra teo amin’ny kalitaony satria dia tonga vaventy tsara ireo trondro niakatra. Hiezaka hampitombo traikefa dia hanitatra satria asa mahavelona tsara ity asa ity. Mankasitraka ny FIMPIFIMABE nanolotra anay ity asa fivelomana ity.” Hoy I Môdy mpiompy. Ho an’ny Faritra Atsimo izay misy ity fikambanana ity dia azo lazaina ho mbola malalaka ny tsenan’ny trondron-dranomamy ka azo antoka fa hitondra fampivoarana ho an’ireo tokantrano ireo tokoa ny tetikasa. Tsy vitsy ny fikambanana no efa manolotra asa tahaka izao vokatry ny tsy fahampian’asa izay miteraka fahantrana lalina. Tsara alaina tahaka ny toy izao saingy ny fahombiazana kosa dia miankina amin’ny fikirizana sy ny fahavononan’ny tsirairay.
Miranto Andrih
