ActualitésTsidika

Alasora: Nanomboka omaly ny hetsika didim-poitra faobe

Omaly 15 jona no nanomboka ny hetsika fanaovana ny didimp-poitra faobe tao amin’ny kaominina Alasora. Maharitra telo andro ny hetsika ary maimaim-poana hatrany, araka ny voalaza.

 » Ao anatin’ny hetsika entina hanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara dia maro ireo hetsika atolotry ny kaominina Alasora, entina hanampiana sy hamalifaliana ny mponina » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Nisantatra izany hetsika izany omaly vao mangiran-dratsy ny didim-poitra faobe. Haharitra hateloana moa izy io ary maherin’ny 250 isa ireo zazalahy kely ho hatao hasoavana mandritra izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny didim-poitra faobe ity moa no nanombohan’ny hetsika atolotry ny kaominina amin’izao fetim-pirenena izany. Hitohy amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo zaza hanala ny fanadinana CEPE sy ny mpiandraikitra kosa izany amin’ny 20 jona ho avy io.

Manitra R.

Laisser un commentaire