Morondava : Mila arovana any ala honko
Tany mirefy 12 ha no voavoly zanaka honko miisa 100 000 tao Nosimeloky Kivalo, kaominina Marofandilia, distrikan’i Morondava. Mbola tafiditra foana ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena amin’ny fiarovana ny rohivoahary ala honko tao amin’ny Faritra Menabe ity hetsika ity.
« Avo roa heny ny entona karbone tahirizin’ny honko. Vokatra trondro 1,5 hatramin’ny 2,5 taonina sy tantely 175 taonina isan-taona no azo avy amin’ny ala honko salama. 30 000 ha ny velaran’ny ala honko nahitana fahasimbana 4%, tao Menabe, tany amin’ny taona 2010 » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. « Tokony hokajiana ny ala honko ho fitsinjovana ny taranaka any aoriana. Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana izany ny rehetra » hoy ny Prefen’i Morondava.
Diabe namakivaky ny tanànan’i Morondava izay narahina fampirantiana nanehoana ireo ezaka vitan’ny mpiara-miombon’antoka no nanamarihana izany. Teo ihany koa ny hetsika nambolena ala honko.
Nicole Rafalimananjara
