ActualitésTatitra

Union Européene : Hamoaka vola 450 tapitrisa Euros hanampiana ara-pitaovam-piadiana an’i Ukraine

Nanambara ny lehiben’ny diplaomasia ao Europe, Josep Borrell fa manam-pikasana hamoaka 450 tapitrisa Euros hanampiana ara-pitaovam-piadiana an’ny tafik’Ukraine izy ireo. Manoloana izany dia nivory vonjy maka ireo minisitra ny fiarovana ny alatsinainy teo.Nilaza taminy hoy izy fa ny filohan’ny diplomasia an’i Ukraine, Dmytro Kouleba fa mila fiaramanidina afaka entin’ny mponin’i Ukraine ihany koa i Ukraine izy ireo. Marihina fa misy firenena mpikambana sasantsany ao amin’ny vondrona manana ireo fiaramanidina angatahin’i Ukraine ireo.Efa nisy kosa ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta hoy i Josep Borrell, ary miapy solika 50 tapitrisa ho an’ny solika izany. Voalohany teo amin’ny tantara kosa i UE no namoaka vola ho an’ny firenena anaty ady.

Laisser un commentaire