Etats-Unis : Niverina tamim-pandresena teo amin’ny taranja lomano i Ledecky
Nandresy tamin’ny alàlan’ny lomano amin’ny alavirana mirefy 1 500 metatra ilay mpilomano amerikana Katie Ledecky nandritra ny fifaninana natao tao San Antonio ny alarobia 03 martsa. Fifaninanana voalohany nataony tao anatin’ny heritaona izao. Efa nandrombaka anaram-boninahitra 5 I Ledecky nandritra ny lalao olaimpika tao Rio ny taona 2016. Tamin’ity indray mitoraka ity, 15 min 42 sec 92 no nanaovany io alavirana 1 500 metatra io, izay nanariany lavitra ireo mpifanandrina taminy, I Ashley Twichell (16 min 04 sec 29) sy I Erica Sullivan (16 min 07 sec 66). I Ledecky arak’izany no mitàna ny laharana voalohana maneran-tany amin’ny alavirana 1 500 metatra eo amin’ny taranja lomanon’ny vehivavy.
