ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hihena ny famatsian-drano azo zaraina isan’ora

Namoaka filazana ny avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola fa 5m3 ny rano azo zaraina isan’ora. Izany dia noho ny fihenan’ny hadirin’ny rano azo ampiakarin’ny milina famokarana.

« Ialana tsiny ny fahatapatapahana aterak’izany noho ny tsy fahampian’ny tosika, indrindra ianareo amin’ny faritra avo. Efa voamarina ny fahavoazan’ny milina, ary efa an-dalam-panatanterahana ny vahaolana ho fanarenana izany ny Service Eau » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Mangataka ny faharetana avy amintsika tsirairay avy izahay mandrampaha-efa izany ao anatin’ny fotoana fohy. Misaotra indrindra amin’ny fanarahana hatrany ny fandaminana » hoy ny avy amin’ny sampana misahana ny rano ao Ambohimanambola.

Nisy fahavoazana tokoa mantsy ny milina « pompe immergée » ao an-toerana. Marina fa tena ilaina ny rano, efa manao izay azony atao ny tompon’andraikitra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire