Fiompiana : Azo tsaboina tsara ny aretin’omby
Ny 26 oktobra 2021 dia nisy omby noahiana nitondra ny aretina DVN (diarhée virale des bovidés) tao Vakinankaratra. Rehefa nandray andraikitra nefa ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompina dia fantatra fa tsy DVN ilay aretina. Efa notontosaina kosa ny fanaovana fitiliana « PCR » ny omby, ka miandry ny fototry ny aretina izy ireo.
Manoloana izany tranga izany kosa dia nitondra fanazavana mahakasina ny aretin’omby ny tompon’andraikitra avy tao amin’ny DSV (direction des services vétérinaire) ao amin’ny ministera : miakatra ny mari-pana, misy olana ny taovam-pisefony, mivalana be ary misy rà kely miaraka aminy no fambaran’izany. Raha sendran’izany kosa dia atokana trano avy hatrany ny omby marary ary miantso avy hatrany ny mpitsabo biby akaiky indrindra, diovina araka izay tratra ny tranony, omena rano betsaka ny omby hanoherana ny rano very, omena fanafody na « sulfamides » ny omby, araky ny torohevitry ny mpitsabo, omena vitamina sy « anti-inflammatoire » ihany koa izy.
Marihina fa ny 99% amin’ny omby notsaboina dia sitrana soa aman-tsara avokoa, ary tsy niverenan’ilay aretina intsony. Faritra 15 ankehitriny no ahitana io trangan’aretina io. Mizara amin’ny distrika 41 izany ary mitsinjara amin’ny kaominina 163. Hizara fanafody hanoherana izany kosa ny ministera voakasika.
Hasina Rasamimanana
