Zandarimaria : Miasa hatrany ho an’ny mpiara-belona
Manoloana ny fandalovan’ny rivo-doza Emnati dia nandray ny tandrify azy ny zandarimaria. Niroso avy hatrany amin’ny fanerenana ny takaitra navelan’ny rivo-doza tao amin’ny tanànan’i Taolagnaro ireo avy ao amin’ny zandarimaria Mandrare, eo ambany fibaikon’ny Kaomandin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana sy ny Lehiben’ny vondrona ao an-toerana.
« Maro ny fahasimbana, na teo amin’ny biraom-panjakana na ny trano fonenana sy ireo foto-drafitr’asa iombonana ary nanampy trotraka ny vatan-kazo mianjera amin’ny lalana » hoy ny tompon’andraikitra. Noho izany dia maro ny fifamoivoizana tapaka. Ankoatr’izay dia nanomana trano handraisana ireo traboina ihany koa ireo miaramila, izay ahitana miaramila mpitsabo manao fizahana maimaim-poana ny marary.
Tsy niraviravy tanana ihany koa ireo miaramila tao Manakara nanoloana ny takaitra navelan’ny Emnati. Maro ihany kosa ny foto-drafitr’asa iombonana sy ny foto-drafitrasa miaramila simba ka nanolotra fitaovana entina hanarenana izany ny « 4ème BLIG » sy ny Peleton ny R3A, ny avy ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika An-tanety izay nanome vary sy fanafody hitsaboana ireo traboina ao Mananjary ihany koa.
Hasina Rasamimanana
