Sabotsy Namehana : Misy fiara vaventy mibahana sy miteraka fitohanana
Mitaraina manoloana ny fibahanan-dalana ataon’ny fiara vaventy mpitatitra entana ao amin’ny orinasa iray any Sabotsy Namehana ny vahoaka. Miantso ny tompon’andraikitra sy ny manam-pahefana izy ireo mba handray fepetra mikasika izao tranga izao.
« Miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana satria eto afoavoan’ny arabe mihitsy izy ireo no manala ny entany. Tena manao tsinotsinona tanteraka ny vahoaka sy ny tanàna izao » hoy i Lanto, mponina ao Sabotsy Namehana. « Efa manana mpiaro izy matoa tena tsy misy tahotra intsony tahaka izao. Mijlay ny mponina fa azy irery ny lalana » hoy i Feno, raim-pianakviana monina ao Sabotsy Namehana.
« Manohintohina ny filaminam-bahoaka, ary indrindra ny fifamoivoizana, ny tahaka izao ka tena tokony hiditra an-tsehatra hanatratra izany fiara vaventy izany ny Polisim-pirenena » hoy i Rado, mpahay lalàna. Ny fandrosoana tokoa dia filaminana sy ny fahalemana, ka raha milamina sy mandry fahalemana ny tany iray dia hiditra ho azy ny fandrosoana. Iza no tena tokony handray andraikitra eto ?
Nicole Rafalimananjara
