Masindray : Mitohy ny fanamboaran-dalana
Mitohy ny asa fanamboaran-dalana ato amin’ny Kaominina Masindray Avaradrano. Eto amin’ny Fokontany Antsaharoaloha sy Antanamalaza ireo mpanamboatra lalana ankehitriny. « Efa miezaka manao haingana izahay satria tena ilaina tokoa ity lalana ity. Isika rahateo miazakazaka any amin’ny fampandrosoana ny tanàna » hoy i Marius, isan’ireo teknisianina.
« Tena isaorana betsaka ireo nandray an-tanana ireo fotodrafitr’asa fa tena ilainay mponina tokoa sady ao anatin’ny fahavaratra tanteraka isika izao, ary hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza rehefa kelikely eo ka tena mila hatsaraina ny asa tahaka izao » hoy ny sefom-pokontany ao Antsaharoaloha. « Tena nijaly izahay teo satria ratsy ny lalana ka misy fotoana aza mitsahatra mihitsy ny fifandraisana amin’ny tanàna hafa, izay miteraka fikatsoana eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna izany » hoy i Nomena, mponina ao Masindray.
Zava-dehibe eo amin’ny fiainam-bahoaka tokoa ny fahatsaran’ny lalana, saingy lalana tsara sy maharitra, tsy mora samba, no tena ilain’ny mponina ; fa tsy sanatria lalana iray andro. Tsara raha manana izany toe-tsaina izany ny tompon’andraikitra fa tsy hoe hametraka laza fotsiny hoe « nanamboatra lalana ».
Nicole Rafalimananjara
