ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nanakorontana ny mponina ny lakolosy misasak’alina

Taitra sy gaga avokoa ny mponina teny Ambohimangakely sy manodidina raha naheno feon-dakolosy amin’ny andro misasak’alina ny 5 desambra lasa teo. Tsy mbola nisy an’izany anefa tao an-toerana ka betsaka ny nimenomenona fa tao no tapaka torimaso.

« Taitra tampoka mihitsy izahay satria vao sambany nisy lakolosy amin’ny alina tsy andro fety tahaka izao. Mahafaty tampoka mihitsy izany ka tokony hahalala tsara »ny tena asany ny mpitondra fiangonana tsirairay” hoy i Fy, mponina any Ambohimangakely. « Teo amin’ny 5 minitra teo ilay izy fa tsy hoe niserana kely akory, tena gaga mihitsy izahay satria raha sasak’alin’ny noely dia azo nekena ilay lakolosy fa zao elanelam-potoana be izao » hoy i Sylvie, mponina ao Ankadidambo. « Mila mandray fepetra ny fiangonana tsirairay manana ireny lakolosy elektronika ireny amin’ny fanamboarana azy tsara mba tsy hanakotaba olona tahaka izao » hoy ny solon-tenam-panjakana ao Ankadidambo.

Marihana fata ny Ankadidambo ilay lakolosy raha ny nambran’ny manodidina hatrany. Manaitra sy manakorontana ny tokoa ny lakolosy misasak’alina satria raha any amin’ireny tantara mampitahotra ireny no faheno izany dia izao tena nisy tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire