Etats-Unis : Voaheloka noho ny herisetra ara-nofo i Donald Trump
Araky ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly tao New York dia meloka noho ny herisetra ara-nofo nataony tamin’i E. Jean Carroll i Donald Trump. Manoloana izany dia tsy maintsy mandoa honitra 5 tapitrisa dollars amin’io vehivavy io ny tenany. Mitsinjara roa izany honitra izany, ny 2 tapitrisa dia fanonerana ny vono sy ratra nahazo an’i E. Jean Carroll ary ny 3 tapitrisa dia noho ny fahafaham-baraka nahazo azy.
Marihana kosa fa tsy tonga niatrika ny fitsarana ary tsy tonga nijoro vavolombelona nandritra ny fitsarana io filoha teo aloha io. Tao amin’ny tambajotrany Truth Social izy no nanao fanambarana fa henatra io didim-pitsarana io. Raha tsiahivina kosa dia tamin’ny taona 2019 i E. Jean Carroll no nametraka fitoriana nanameloka an’i Donald Trump fa nanao herisetra ara-nofo taminy tao amin’ny toerana fanandramana akanjo ny toeram-pivarotana Bergdorf Goodman tao Manhattan.
