ActualitésTsidika

Tsena : Efa manaraka fitiliana avokoa ny hena amidy rehetra

Nanda ny fisian’ny singa formol anatin’ny hena amidy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiompiana. Andro vitsivitsy izay dia niparitaka be tokoa ny resaka mikasika ny fisian’izany, ka nanaitra ny tompon’andraikitra. Araka ny fitarainana dia menamena be tsy mety miova ny lokon’ny hena rehefa handrahoana, mety hisy fofona malany ihany koa izany. Nitondra ny fanazavana mahakasika ny fahadisoan’izany ny avy ao amin’ny Ministera.

« Misy ny fitiliana ny fahamarinan’ny fahasalaman’ny hena ataon’ireo Véterinaire Inspecteur alohan’ny hiakarany eny ambony ankalana. Ny hena rehetra ihany koa dia tsy maintsy misy ny fanamarinana avy amin’ireo “véterinaire inspecteur” ka azon’ny rehetra atao tsara ny manamarina izany rehefa eny amin’ny mpivarotra. Tsy vitan’ny any amin’ny toeram-pamonoana ihany no misy mpitsirika fa na efa eny ambony ankalana aza ny hena dia tsy maintsy misy véterinaire inspecteur mitsirika izany ihany koa », hoy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, Dr Raymond.

Mampanontany tena anefa ny any amin’ny tontolo ambanivohitra any. Mimenomenona ihany koa ireo mpanjifa satria endrika hafa indray no hisehoan’ny fanapoizinana any na dia eo aza ireo mpitily ny hena. « Noho ny tsy fahalalana dia mety ho biby marary no novonoina satria aty aminay tsy misy abbatoire ka tsy maintsy eny amin’izay toerana mety fotsiny no hamonoana ny biby. Ny mpitily ihany koa mety olom-pantatra ety amin’ny tanàna ihany dia mahazo kely izy dia efa milamina. Hapetany ihany ilay “tampon” mangamanga », hoy i Josephine, mponina any amin’ny Kaominina ambany vohitra Morarano.

Samy mamono olona avokoa ny ireo mpitily na ireo mpivarotra ka afaka melohina izany, tsy maintsy manana porofo amin’izany ihany koan anefa ireo izay mahatsapa zavatra hafahafa. Zon’ireo mpanjifa tsara araka izany ny manamarina ny hena izay ho vidiany alohan’ny hanjifany izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire