Iran : Lehilahy roa no nohelohina ho faty noho ny faniratsirana fivavahana
Lehilahy roa antsoina hoe Yousef Mehred sy Sadollah Fazeli Zare no nohelohina ho faty noho ny faniratsirana fivavahana tao amin’ny fonja iray tao Iran. Voaheloka naniratsira ny namevateva ny anaran’ny mpamonany Mahomet sy ny nandrisika ny tsy finoana an’Andriamanitra na « athéisme » izy ireo raha ny fanazavana.
Raha ny tatitry ny ONG occidentales dia niakatra ny tahan’ny olona nohelohina ho faty tao Iran nanomboka ny volana janoary 2023 teo, efa mahatratra 200 isa mahery izany. Manodidina ny 600 isa kosa izany ny taona lasa teo ary raha ny fanazavana dia isany taona nahitana nohelohina ho faty betsaka indrindra io taona io noho izy nisehoana hetsi-panoherana ny fitondrana sy ny famoretana nahery vaika.
