ActualitésTsidika

Anjeva: Vohitra roa no notsidihin’ny ben’ny tanàna ny herinandro teo

Mitohy hatrany ny hetsika fitsidihana ifotony ataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Tamin’ny herinandro teo, ny fokontany Ankadiefajoro no nanaovana ny hetsika, araka ny voalaza.

« Vohitra Fiadanana sy Ankadiefajoro ato anatin’ny fokontany Ankadiefajoro no nanohizana ny fitsidihana ifotony. Nifanakalo hevitra tamin’ny olona tety an-toerana ary nanolotra jiro lampadaires miisa fito entina manazava ny lalana be mpandeha no natao nandritra izany » hoy ny tomponandraikitra.

« Nisy ihany koa ny fanomezana simenitra telo lasaka ho fanampiana amin’ny fanamboarana ny lalan’ireo  mampiasa moto eo an-tanàna. Notapahana ihany koa fa amboarina hatao béton ny tetezana mirefy 8 metatra, lalan’ny olona mankeo amin’ny vohitra Fiadanana; hanomboka tsy ho ela ny asa » hoy hatrany ny fanazavana.

Ny fitsidihana ifotony no ahafantarana ireo filàna sy foto-drafitr’asa ilain’ny mponina. Anisan’ny manao ezaka ho amin’izany ny mpitantana ny kaominina Anjeva. Efa manana rano fisotro madio moa ity fokontany ity, raha ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire