Alasora: Ho tanterahina amin’ny herinandro ho avy io ny fitsarana kopia faobe
Taorian’ny fandraisana isam-pokontany ny anarana amin’ny hetsika fanaovana kopia faobe ao amin’ny kaominina Alasora, dia efa fantatra amin’izao fotoana ny ora sy ny toerana hanatontosana ny fitsarana kopia faobe ao an-toerana.
“Ho tanterahina ao amin’ny kianja Maitso Alasora, ny zoma 14 jolay 2023 ny fitsarana ny kopia faobe eto amin’ny kaominina. Ny tomponandraikitra raka izany dia mampilaza ireo efa nisoratra anarana rehetra mba ho avy eny an-toerana, manomboka amin’ny 08ora maraina” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Mbola maro ireo zaza sy ankizy tsy manana kopia raha ny eto an-toerana. Efa nisy ihany koa ny fanentanana ireo ray aman-dreny ny amin’ny tokony hanatantrerahana izany satria manan-jo ary andraikitry ny ray aman-dreny ny mampisitraka na manoratra ny zanany naterany” hoy ny lehiben’ny fokontany iray.
Marihina moa fa tsy maintsy miaraka amin’ny reniny ireo zaza izay hanaovana kopia amin’io fotoana io.
Manitra R.
