Faritry Boeny: Efa mandeha ny fifampiresahana amin’ny fametrahana sekoly ambaratonga fahatelo, fampianarana teknika
Nihaona ny Governoran’ny Faritra Boeny, Mokhtar Salim Andriantomanga sy ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa Rahantanirina Gabriella Vavitsara. Nandritra izany dinika fihaonana izany no nifampiresahana mikasika ny fananganana sekoly lisea teknika sy fampiofanana mikasika ny fambolena ao amin’ny Faritry Boeny.
“Tanora maro no maniry hisehatra amin’ny fambolena eto amin’ny Faritry Boeny. Ny fambolena dia sehatra iray azo ivoarana sy hampandrosoana eto amin’ity faritra ity ankoatran’ny jono sy ny fizahantany. Ny fananganana sekoly teknika sy fampiofanana amin’ny sehatry ny fambolena eto dia ahafahan’ny Faritra mamatsy vokatra natoraly any Mayotte .”Hoy ny Governora
“ Ny fambolena dia sehatra iray azo trandrahana tsara raha eto Boeny ary maro ireo marisika ny hiditra lalina amin’ity sehatra iray ity eto. Mba ahafahana mahafehy bebe kokoa azy anefa dia tena ilaina ny fampiofanana.” Hoy i Jean Paule mpamboly
Nanamafy ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa raha maniry ny hampandroso Faritra iray dia tsy misy afa-tsy ny fintrandrahana ny zava-misy ao aminy ihany no vahaolana. Izany indrindra no hanohanan’izy ireo ity vinavina tetikasa ity satria Faritra iray afaka mamokatra tsara ny Faritry Boeny ary koa ahitana lalam-barotra maro.
Araka ny dinika dia vonona hifanome tanana ny Ministera sy ny Governora hanolotra fampiofanana ho an’ireo tanora mahakasika ny fanokafanana lalam-barotra iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fambolena.
Miranto Andrih
