ConseilTsidika

Kolontsaina : Mozika sy dihy nentin-drazana mampiavaka ny faritra Betsimisaraka ny « ova tongozay »

Dihy Betsimisaraka fanao amin’ny fifaliana ny dihy « ova tongozay ». Miloloha tavoahangy misy saina Malagasy ny vehivavy iray, izay fanaheoana ny maha Malagasy. Mandihy mandeha amin’ny tongo-kazo ny vehivavy iray hafa. Mampiseho ny fahaizana mandeha amin’ilay tongo-kazo ka mandroso, mihemotra ary mifanantona. Ny vehivavy hafa kosa dia sady mihira no mitehaka mamporisika ireo namany mampiseho ny talentany.

Misikina lambaoany na zipo midoroboka be soratra ny vehivavy ary misatroka ary misatroka misy haingo miendrika voninkazo. Tsy misy fitafiana manokana ny an’ny lehilahy saingy manao satroka.

Angorodao sy aponga no zava-maneno ampiasaina.

Laisser un commentaire