Sabotsy Namehana: Jiolahy lavon’ny zandary nandritra ny fisafoana
Andian-jiolahy nisy olona telo no saron’ny zandary avy amin’ny brigadin’ny zandarimaria Sabotsy Namehana, ny faran’ny herinandro teo. Lavo am-perinasa ny iray nandritra izany fotoana izany, ny iray kosa azo sambo-belona ary ny iray mbola karohina, rah any fanazavana.
“ Ny 08 martsa 2024, tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, nandritry ny fanaovana fisafoana amin’ny alina dia nahazo antso tamin’ny telefonina ny kaomandin’ny brigady Sabotsy namehana, nampilaza fa misy andian-dehilahy mampiahiahy mitondra fiara eny Ambohinahorina, Kaominina Sabotsy Namehana. Rehefa tonga teny an-toerana tokoa dia hita teo ny fiara mazda sy ny voalaza fa mpamiliny ka nanaovana fisafavana” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Nahitana kodiarana fiara miisa 03 sy batterie 01 izay tsy voazavan’ny mpamilin’ny fiara ny fihaviany tao anatin’ny fiara. Kelikely nony avy eo dia nisy olona telolahy nanantona ny fiara izay nambaran’ny mpamilin’ity fiara ity fa olona miaraka aminy. Vao hanamarina azy ireo anefa ny Zandary dia namoaka basy poleta avy hatrany ny iray tamin’izy ireo, ny iray nitoraka tamin’ny ???́ ?? ???? ary ny iray kosa nitoraka tamin’ny ????-na fiara. Raikitra noho izany ny fanandrinana ka lavon’ny balan’ny Zandary ilay iray izay nitondra basy poleta, azo sambo-belona kosa ny iray raha toa ka tafaporitsaka noho ny aizina ny iray” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa, fa nivaky ny mpamilin’ity fiara ity fa tena jiolahy ireo niaraka taminy ary izy dia mpitatitra ireo entana no anjara andraikiny amin’ny sarany 50.000 ariary. Mbola mitohy moa ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba izany.
