Velom-bolo ny mpanamboatra vatapaty
Sanatria ny hoe : « fahorian’ny sasany no ifalian’ny sasany ». Fa kosa tato ho tato dia isan’ireo sehatra tena nahazo vola vetivety ny mpanao vatapaty. Mila tsy aharaka mihitsy aza ny fanaovana izany hoy ireo mpiantsehatra anatiny. Betsaka tokoa ny maty anatin’ny iray andro monja, ny matin’ny aretina hafa akoatran’ny Covid-19 aza tsy lazaina intsony sy ny maty noho ny lozam-pifamoivoizana. Betsaka ny fisehoan’ny fahafatesana fa ny tena malaza aloha hatreto dia ity valan’aretina ity. Mandeha ny tsenan’ireo mpanao vatapaty, Raha 4 isan’andro no vita teo aloha fa izao kosa efa niakatra ny isa. Rah any eny Andrefan’Ambohijanahary aza, arentirenty eny amin’ny arabe ny vatapaty amidy. Velom-bolo ery izy ireo fa mandeha ny asa, tsy ratsy akory ity asa ity hoy hatrany izy ireo, ny mangalatra ihany no ratsy. Toy ny asan’ny mpitsabo ihany koa, raha tsy misy marary tsy mahazo vola izy ireo, ny mpanao vatapaty izany, raha tsy misy olona maty tsy velona. Kanefa nampitandrina ny vahoaka malagasy ny mpanao vatapaty teny Andrefan’Ambohijanahary teny ka nilaza hoe : « Mitandrema re olona fa enjana ity aretina coronavirus ity, samia tompon’andraikitra fa nenay anie ity efa asa ihany e ». Tsy sanatria faly amin’ny fahabetsahan’ny maty anefa izy ireo fa ny tiny aza samy hiara-hiriaria eny avokoa isika saingy asa ity ary ny maty tsy maintsy hisy foana na aiza na aiza. Tsy sanatria atao hampatahotra izany fa kosa hanairana ny saintsika fa tsy misangy amin’ny fahafatesana ny Covid-19, koa tandrovy ny aina. Hirariana mba tsy hisy ny fanararaotana ataon’izy ireo, matetika mantsy rehefa tsapan’ny olona fa tena ilaina ny entana amidiny dia ampiakariny lafo noho ny fitiavana kely ny vidiny. Tsy amin’ity sehatra ity ihany no hirariana izany fa amin’ny sehatra rehetra amin’izao toy ny mpivatrotra fanafody, mpivarotra vary sy entana ilaina an-davanandro. Aoka isika Malagasy hifamelona fa tsy sanatria hifamono.
Nicole Rafalimananjara
