Voahosin’ny aretina hatramin’ny zon’olombelona
Mahazo laka tanteraka ny aretina eto amintsika. Tsy azo anoharana tokoa fa sady mandripaka ain’olona maro mihitsy ilay zavatra tsy hita maso. Ao anatin’iznay rehetra izany anefa misy ny zon’olombelona tsy voahaja mety hoe tsy nahy na tsy afa-manoatra ihany koa anefa. Navoaka ny didy fa hakatona Analamanga sy ireo faritra sasany betsaka marary kanefa araka ny andininy faha 13 amin’ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Firenena mikambana mikasika ny zon’olombelona fa zon’ny olona rehetra ny mivezivezy an-kalalahana ary mifidy izay toerana tiany hipetrahana ao anatin’ny fanjakana iray. Zo iray izay no tsy voahaja kanefa tsy afa-manoatra manoloana ny aretina isika ka izay aloha no fanapahan-kevitra hitan’ny fitondran afa mety hisorohana ny fiparitahan’ny aretina Covid-19. Betsaka ihany koa ireo olona tavela any amin’ny firenen-kafa kanefa voatery mijanona any noho ny tsy fisian’ny sidina na olana samihafa kanefa hoy hatrny ny Andininy faha 13 hoe Zon’ny olon-drehetra koa ny miala amina tany iray, eny fa na dia ny taniny aza, ka miverina amin’ny tany misy azy. Mitebiteby sy miaina anaty tahotra fatratra ny vahoaka malagasy ary voalazan’ny andiny faha 16 mihitsy aza anefa fa ny fianankaviana no fototra ara-boajanahary iorenan’ny fiaraha- monina, ka manan-jo hoarovan’ny fiaraha-monina sy ny fanjakana. Manana anjara asa hiaro ny manodidina noho izany ny olona tsirairay, ny fanjana ny fepetra ara-pahasalaman atoy ny fanaovana aro vava orona dia efa isan’ireo fiarovana ny hafa. Arovy arak aizany ny tenanao, arovy ihany koa ny hafa fa sady adidinao ny miaro ny olona eny amin’ny fiaraha-monina misy anao. Sahirana ihany koa ny hakamaroan’ny olona manoloana ity aretina ity, eny fa na dia misy aza ilay tetik’asa tsena mora, hanampiana ny sosialim-bahoaka, Malagasy maro no tsy afaka misitraka feno izany. Raha hoy anefa ny andininy faha 22 amin’io fanambarana io ihany manao hoe : Ny olon-drehetra amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina azy dia manan-jo ho voaantoka ara-tsosialy. Izany rehetra izany no manambara fa sarotra ny miady amin’ity aretin ity. Misy aza matimaty noho ny tsy fisian’ny vola entina mitsabo tena kanefa hoy ny andininy faha 25 hoe : Manan-jo hanana fari-piainana antonony sy ampy ny tsirairay mba hiantoka ny fahasalamany. Betsaka araka izany ny zo fototra maha olona voahitsakitsaky ny coronavirus, Tsy ny aina ihanyv mantsy no nokitihany fa ny sehatra rehetra anatin’izany ny zo, ny toe-karenan’ny firenena, ny sosialim-bahoaka ary ihany koa aza ny politika isan-tsokajiny.
Nicole Rafalimananjara
