Egypte: Fiara mpitondra mpandeha nivadika, nahafaty olona folo mahery
Olona folo farafahakeliny no maty, vokatry ny fivarinan’ny fiara iray tao amin’ny reniranon’i Nil, ao avaratr’i Caire, Egypte. Fiara minibus, mpitatitra mpiasa tany an-toerana ity tra-doza ity. Araka ny fanazavana, tsy nampiasa “frein à main” ny mpamily ity fiara ity, ka niteraka ny loza. Nikasa ny handositra ihany koa ity farany taorian’ny nitrangan’izany saingy voasambotry ny mpitandro filaminana ihany. Nisy ihany koa ny fifamaliany tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Ankoatra ireo namoy ny ainy ireo, dia olona sivy hafa ihany koa no naratra mafy tao anatin’izany. Ahiana ny mbola mety hiakaran’io isa io, rah any fanazavana nataon’ny ministera misahana ny fahasalamana any an-toerana.
