SportTatitra

Espagne : Hanao ahoana ny Liga tsy misy an’i Lionel Messi ?

Tsy eo intsony ireo mpilalao nampahoraka ny Liga tao antin’ny 20 taona, Sergio Ramos, Zinédine Zidane dia izao Lionel Messi ihany koa. Tsy ho hita amin’ity fanombohan’ny Liga androany ity ny tenany. Mbola vonona handray anjara sy hiatrika amin’ny lalao “Super Ligue européenne » hatrany nefa i Real Madrid sy FC Barcelone na tsy eo intsony aza ireo mpilalao sangany ao aminy.

Misedra olana ara-bola kosa nefa ny Liga noho ny fisian’ny valan’aretina ka vola avy amin’ny CVC no entina hiatrika izany. 10% amin’ny petra-bola izy ireo no namidiny 2,7 miliara euro tamin’ny CVC Capital Partners.

Laisser un commentaire