Inona no tena vahaolana ho an’ny Madagasika ?
Miakatra tsy mijanona ny ny vidim-piainana eto Madagasikara. Lafo daholo ny entana: ny fitaovana ilaina amin’ny andavan’andro, ny fitaovam-pianarana, ny arina fandrehitra, ny kojakoja ara-piarakodia, ny simenitra,eny fa na ny zezika aza nahitana fisondrotana, mikorontana ny Malagasy. Fa ny fanontaniana tena manitikitika, ny fahefa-mividy ve no tokony hakarina sa ny vidin’entana no tokony ampidinina ?
Samy manana ny heviny daholo ny tsirairay. « Ampiakarina ny fahefa-mividy, fehezina ny fisondrotam-bidy ary asiana fetra ny fanafarana entana fa mila manondrana izay azo aondrana kosa »hoy ny fanehoan-kevitr’i Ramaro. Raha ny hevitr’i Maminiaina, mpianatra sociologie eny Ankatso kosa : « rehefa tsy mety voafehy ny fisondrotry ny vidim-piainana dia tsy misy afa-tsy ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny mponina no vahaolana maharitra sy tsara indrindra. Raha raisina ohatra ny any Frantsa, araka ny tarehimarika navoakan’ny INSEE (Institut national de la statistique et des économiques) dia mahatratra 2 % ny fiakaran’ny vidim-piainana any Frantsa, tamin’ny enim-bolana voalohan’ity taona 2021 ity. Io ivon-toerana io ihany koa anefa no nahafantarana fa niakatra 1,8 % ny fahefa-mividin’ny Frantsay na teo aza ny krizy nateraky ny valan’aretina Coronavirus. Mampiseho izany fa tsy dia nisy fiantraikany firy ho an’ny mpanjifa ao Frantsa loatra ny fiakaran’ny vidim-piainana satria nisondrotra miaraka amin’izay koa ny nenti-manana hiatrehana ny fainana ». Tsy eto Madagasikara ihany izany no ahitana fisondrotan’ny vidim-piainana.
Ny hita aloha hatreto, tsy mbola voafehy ny Fitondram-panjakana ny fisondrotron’ny vidim-piainana na teo aza ny ezaka rehetra nataon’izy ireo. Ny mifanohitra amin’ny zavatra antenain’ny mpanjifa aza no mitranga. Sarotra ny mampidina io vidim-piainana io ary tsy ho voafehy anatin’ny fotoana fohy fa kosa maro no lalana afahana mampiakatra ny fahefa-mividy ny Malagasy : hamoronana asa ny Malagasy ary omena lanja ny fanondranan’entana, jerena izay fomba ampiakarana ny lanjan’ny ariary fa maivana loatra. Anisan’ny hamaritana ny fandrosoan’ny firenena iray ny fiakaran’ny fahefa-mividin’ny mponina ary izany tokony ho laharam-pamehana ho an’ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany. Mazava ho azy fa tsy mora ny hatongavana fa mila fahaizana sy famakafakana lalina avy amin’ny Mpitondra.
Tsangy Randriamampianina
